Lamasy aizina (Tandapa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka ho izy ihany aloha
No hilaza izay ilainy
F'izaho akory tsy zanahary
Ka ahalala ny ao an-tsainy
Rakotr'haizina avokoa
Ny ho aviny iray manontolo
Fa izy toa zaza bodo fo
Tsy mahalala izay hamono
Hitsinjo ny ho ampitso anefa
No ketrehiko
Hanao izay rehetra ahasoa azy
Sy ny ho ahy koa
Handresy ilay haizina
Zay mandrakotra ny tontolo
Izay lay izy; izay ilay ahy
Dia ny ho tafita soa
Izay ilay ho avy zay ho kinendry
Fa tsy ny hamoy fo
Aoka izy hahatsapa-tena
Fa zaza mirenireny
Aoka izy hahalala koa
Fa tsy anilan-dray sy reny
Ny ho aviny mantsy
Tsy ny androany fa
Zay ho ampitso aloha
Ny masoandro izay ho antenainy
mba ho tafita soa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tandapa
Vangy : 1734
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/10/2014 15:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207