Matokisa (Melky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena mafy ilay ts akaikinao
Ka mahavery dia
Toa manonofy foana zaho
Hoe anilanao ka mankafy

Mba rahoviana ihany
Izaho efa sasa miandry
Mba rahoviana ihany
No ho avy hijery ahy

Mbola manantena foana zaho
Fa ho avy ilay andro
Hiaonan-tsika roa indray
Hanavao ny taloha

Mba rahoviana ihany
Izaho efa sasa miandry
Mba rahoviana ihany
No ho avy hijery ahy

Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho dia efa anao
Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho tsy hiala aminao
Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho hiandry anao
Matokisa ianao io ô!!
Zaho ty efa ngoma anao

Tsy fidiny ho antsika izao
Ny fisarahan-toerana
Fa vao maika manamafy
Ilay fatorana ao ampon-tsika

Mba rahoviana ihany
Izaho efa sasa miandry
Mba rahoviana ihany
No ho avy hijery ahy

Mitempo foana, tsy mijanona ity foko
Hoa anao
Efa natokako ho amin'ny fiainako manontolo

Mba rahoviana ihany
Izaho efa sasa miandry
Mba rahoviana ihany
No ho avy hijery ahy

Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho dia efa anao
Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho tsy hiala aminao
Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho hiandry anao
Matokisa ianao io ô!!
Zaho ty efa ngoma anao

Ngoma anao zaho (X8)

Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho dia efa anao
Matokisa ianao io ô!!
na na na na tsy hiala aminao
Matokisa ianao io ô!!
isan'andro (X3) hiandry anao
Matokisa ianao io ô!!
oh ô! ô oh ohohohoho

Matokisa ianao io ô!!
Fa izaho hiandry, hiandry anao
Matokisa ianao io ô!!
Ho avy ilay andro (X2)
Matokisa ianao io ô!!
Ho anao (X4)
Matokisa ianao io ô! (De My Lyrics avec Lal'Ain Noro'Suh.)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Melky
Vangy : 4233
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : yajrj
Daty : 14/10/2014 10:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0998