Hay teo foana i Kristy (Jocelyn RANJARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fatra-pitady hafaliana
Taloha aho, tamin-java-boarara
Ka ny tsiniako ireo loza, mpahazo ahy
Tety an-tany
Niraiki-po tamin’ny tany aho
Mandram-pianjerako nitsirara
Tamin’io indrindra anefa
No niantso ahy Ilay mpiandry tsara.
ref:
Hay teo foana i Kristy (x2)
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy.

Tsy hita intsony ireo rendrarendra
Izay namitaka ahy
Haiko izao ny làlan-tsara
Ka hizotra aho tsy amin\\’ahiahy
Ny fiainako isan\\’andro
Miarak’Aminy dia mamy éry
O! Indrisy raha fantatro
Tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy.

Hay teo foana i Kristy.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jocelyn RANJARISON
Vangy : 7460
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : goly
Daty : 25/11/2004 08:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719