Soa ihany aho fa (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Setrin'ny "Hanambady aho", niarahana tamin'ny Ministera.. fanentanana "ady amin'ny vohoka aloha loatra")


Dada a, ny sipa tsy maintsy mi-roule
Fa ny kibo no tsy asiana olona
Ka Foto-pisainana GANGSTA, dia tsy resy tsy akory ny olo-mangina
Fa maninona ?
Fa te hananatra zanaka tiana
Fa tsy azonao mihitsy 'zany reny fananarana nataoko taminao ireny ?

Misangisangy aho ry Dada a
Fa taorinan' izaho saika hanambady ireny
Dia resy lahatra aho tamin'ny zavatra voalazanao rehetra rehetra
Nefa na izany ara
Tiako koa ianao raha mba mihaino ny hevitro
'Zahay vehivavy manan-jo hilaza ny hevitray
'Zaho tsy tokony borqué-nao isaky ny hiteny
Efa niova ny vatako, efa niha-lehibe aho
Tsy zazakely intsony
Na dia mbola betsaka ary ny zavatra tsy niainako
Ka mila miresaka tsika sy ianao ry Dada.

Tena mila miresaka milamina mihitsy isika mianaka
Voalohany : resaka lehilahy
Faharoa : resaka hanambady
Ary fahatelo : resaka sipakely bevohoka aloha loatra

Anaka, matoa aho miteny, tsy hoe tsy fitiavana akory
Fa ianao mila mitandrina, rehefa ho entin'ny bandy matory
Ny lehilahy miaraka aminao, tokony fantarinao ihany
Miara-matory isan'andro izao,
Azonao antoka ve ny fahasalamany
Fantatrao ve ny fiarovan-tena amin'ny firaisana ara-nofo
Nefa izany ara, raha aloha loatra tsy ekena, na dia efa masaka aza ilay mofo
Ianao nefa toa tsy azo sakanana,
Izy ve madio tsisy pentina
Fahasalamana ara-pananahana
Sao dia bandy maloton'aretina
Fanambadiana tsy omaly sy androany,
Na rahampitso sy rahafak'ampitso
Tsy vitan'ny chéri chéri je t'aime
Fa mandrakizay doria amen
Dia ianao raha manambady tanora
Manambady alohan'ny fotoana
Sao dia heverinao fa moramora, ka aza manaonao foana
Fa ifanondroan'ny olona molotra, n'aiza n'aiza toerana aleha
Tokantrano tsy misy fototra ?
Henatra fa tsy ho rehareha
Manambady aloha loatra,
Sa ny any ambany no mangetaheta ?
Mangidihidy ny ambany foitra, lazain'ny olona fa kely veta

Resy lahatra aho ny amin'izay voalazanao
Soa ihany aho fa nihaino anao
Dada a, 'zaho tokoa moa izany tsy mahazo manao bevohoka e ?
Tsy ekena ny zaza bikina handeha hianatra, izao no lazaiko aminao
Ihomehezan'ny mpianatra sy ny mpampianatra
Vakiana fotsiny tsotra amin'zao
Fa dia veloma madinidinika ianao ry sekoly nianarana
Masìna fantimpantenana ianao ry trano fianarana
Fa ianao sy ny dabilio dia efa nisaraka tsisy maratra
Tsy ampy solaitra, tsy ampy coco

Veloma ny tanjona fa tsy ho tratra
Dia veloma ary ianao ry fahaizana
Eto no tsontsori-mamba isarahana
Dia ho alikilikin' ny olona, rehefa ory tsy havan'ny manana
Bevohoka aloha loatra tsy ilaina,
Tsy ho tonga volana mahakely finoana
Mety ho zaza tara ara-tsaina, hanana olana ara-pitomboana
Bevohoka aloha loatra dia mbola tsy vonona
Ny taova rehetra amin'ny vatanao
Bevohoka aloha loatra
Mitarika olana ara-pahasalamana ao anatinao ao
Maha voan'ny fistule, mamany lava tsy azo sakanana
Efa lasa nitsoaka lay testicule
F'ianao mety ho faty eo am-piterahana
Na miara-maty ianao sy lay zaza

Voka-dratsin'ny vohoka aloha loatra :
Na velona mitsipozipozy na sampona
Raha hanenina efa tara loatra
Dia tsy hahita fahasambarana, ianao sy ny zanakao
(An ?)
Lasa vesatra ho an'ny Ray aman-dReny, ianao sy ny zanakao
(Kozy ve ?)
Charge ho an'ny fianakaviana, ianao sy ny zanakao
(Ataovy serieux !)
Hanakorontana ny mpiray tampo, ianao sy ny zanakao
Dia avy eo ipitsihan'ny bandy,

Sipa iray anaka tsy manan-katokona
Omeny pasy tolaka sy vandivandy, ampanantenany tain-tsokina
Iomehezan'ny kofboay rehefa hitany fa tsy clé
Tonga de largué-ny amin'zay f'efa vitany ny ady clé
Ka ny hanongotsongoana ny maty e, tahotra ny handevim-belona
Ny fananarana atao aminao, tsy mangidy fa mamy ho atelina
Aleoko lavitra mananatranatra, izay mety hananako tsiny
Toy izay ho latsalatsain'ny nenina,
Hoe tahak'izay nanariko ianao tamin'iny.

Ka aleo tonga taona sy matotra,
Vao miroso amin'ny fanambadiana
Fa bevohoka dia ho voafatotra, hisotro ny rano tsy tiana
Lasa omby mahia be tandroka, mizaka ny tsy eran'ny aina
Fa bibikely voafandrika raha sipakely hilalao ranon'aina

Resy lahatra aho ny amin'izay voalazanao
Soa ihany aho fa nihaino anao
Dada a, soa ihany aho fa niresaka taminao
Zavatra tsy noeritrerin'ny saiko
Kay mila fantarina tsara ny lehilahy tokony iarahana
Sady aleo aloha mianoka sy migoka tsara ny fahatanorana
Miala voly miaraka amin'ny namana sy ny sakaiza
Dia tohizana ny bôsy sy ny fianarana
Ahafahana manatratra ny tanjona sy ny nofinofy
Ny namako vehivavy taloha izao,
Tsy hitako intsony fa nandao ny fianarana
Hay bevohoka dia tsy tazana tsony
Fa mikarakara zaza sy tokantrano
Ry tovovavy tanora, sipakely akamakamako
Kôpy 'nareo tamin'ny voka-dratsy ny zavatra saika nandramako
Aleo aloha mandinika tsara,
Calme tsy misendoatra
Fa tsy maimaika hanambady
Dia avy eo : bevohoka aloha loatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 7438
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/10/2014 10:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723