Izaho sy ianao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf : Fa ho hiran’ny fo izaho sy ianao
Hira mamin’ny fiainam-baovao
Hirahiram-pitia efa tao
‘Zaho sy ianao

‘Zaho ilay namanao tsy mahafoy
Hatrizay tsy nandao
Dia niombon-tsaina fo sy fanahy
Toa tsy mety lao
Ny hetraketraky ny tsy tia
Misompatra hatrizay ka hatr’izao
Lazaiko anao fa nangaina satria
Hiray izaho sy ianao

Ho avy ny oram-baratra
Afafin’ireo tsy namanao
Ary setrasetran’ireo tsy tia
Te hankahala anao
Tsy sitrako ny ho maratra sy hifandao
Lazaiko anao hira ho iray
Izaho sy ianao

Réf

Ny sentosentonao io ravao,
Ny fo no hatanjaho
Fa na iza n’iza tsy tia anao
Tsy izay no hankalaina
Mafy fototra ny fitia
Tsy miova hatrizao
Fa lazaiko anao
Hira iray izaho sy ianao
Izaho sy ianao

Hira iray
Fa ho hiran’ny fo izaho sy ianao
Hiran’ny fo
Hira mamin’ny fiainam-baovao
Hira iray
Hirahiram-pitia efa tao
Izaho sy ianao

Réf
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 17347
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mahatehotia
Daty : 06/05/2005 16:47
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129